<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. McGranahan</author>
<lyrics>[V1]
 Ry mpanota ! ry mpanota !
 Raiso Jeso Tomponao,
 Aza mba misalasala,
 Manatòna Azy izao.
 Ka ekeo ny feon'i Jeso
 Izay nifona ho anao
 Teo ambony hazo avo
 Maty Izy ho anao.

[V2]
 Indro Jeso, ry mpanota !
 Faly hohatoninao,
 Sady Tompo tsy mandatsa,
 Fa mamindra fo tokoa,
 Ka miteny moramora
 Ta-hamela heloka :
 Manatòna, ry mpanota !
 Mba handray ny avotrao.

[V3]
 Ry mpanota ! ry mpanota !
 Misy vonjy ho anao,
 Ka toneo ny alahelo
 Mampahory fo anao ;
 Aza mety resin'ota,
 Fa jereo ny Tomponao ;
 Izy no handresy tsara
 Izay miady aminao.

[V4]
 Hianao tsy manan-toky
 Ho mpamela heloka,
 Afa-tsy ny Tompo Jeso,
 Ilay nanavotra aina anao ;
 Ka aza mba misalasala,
 Ry mpanota very ô !
 Fa azonao ny lova tsara,
 Raiso Jeso Tomponao.</lyrics>
<title>Ry mpanota! Ry mpanota! FFPM364</title>
<hymn_number>364</hymn_number>
</song>